Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-2

1 Nony nampakarin'ny Tompo ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy any Galgala Elia sy Elisea.

6 Ary hoy Elia taminy: Mijanona eto raha sitrakao, fa irahin'ny Tompo ho any Jordany aho. Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao aho! Koa niara-nandeha izy roa lahy. 7 Nisy dimampolo lahy tamin'ny zanaky ny mpaminany nanaraka azy, ary nipetraka eny lavitra eny tandrify azy, ary izy roa lahy dia nijanona teo amoron'i Jordany. 8 Dia nalain'i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin'ny tany maina. 9 Nony tafita izy ireo dia hoy Elia tamin'i Elisea: Angataho izay tianao hataoko aminao, alohan'ny hangalana ahy aminao. Ary hoy ny navalin'i Elisea: Ny mba hahazo anjara roa amin'ny fanahinao.

10 Ka hoy Elia: Mangataka zava-tsarotra hianao; kanefa raha mahita ahy hianao amin'ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany. 11 Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin'ny tafio-drivotra Elia.

12 Sady nijery Elisea no niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin'Israely sy mpitaingi-tsoavaliny! dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin'izay nalainy ny fitafiany, notriariny roa, 13 ary noraisiny ny kapaotin'i Elia izay nitambotsotra niala taminy. Rahefa izay dia teo amin'i Jordany izy dia nijanona teo amorony. 14 Noraisiny ny kapaotin'i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: Aiza Iaveh Andriamanitr'i Elia! Aiza izy! Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita Elisea.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0597